plt_tn/isa/63/17.md

926 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola manohy miteny ny vahoakan'Israely.

Ry Yaveh, nahoana no avelanao hirenireny hiala amin'ny lalanao izahay ary manamafy ny fonay, mba tsy hankatoavanay Anao?

Eto ny mpanoratra dia mampiasa fanontaniana mba hanehoana ny fitarainan'ny olona amin'Andriamanitra. Io fanontaniana io dia afaka adika ho fehezanteny. DH: "Ry Yaveh, nataonao nirenireny niala tamin'ny lalanao sy hanjary ho mafy loha izahay mba tsy hankatoavanay Anao."

nahoana no avelanao hirenireny hiala amin'ny lalanao izahay

Ny tsy fanaovana izay andidian'i Yaveh dia resahina toy ny hoe olona izay mirenireny miala amin'ny lala-marina izany. DH: "nahoana no nanao izany zavatra tsy mety izany Ianao"

manamafy ny fonay

Io dia midika hoe lasa manohitra ny fampianaran'i Yaveh amin'ny fandavana tsy hihaino sy hankatoa Azy. Eto ny "fo" dia manambara ny fahazotoana, ny fihetseham-po ary ny fanirian'izy ireo.