plt_tn/isa/60/08.md

1.0 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.

Iza moa ireny manidina tahaka ny rahona, sy tahaka ny voromailala ao amin'ny fialofany ireny?

Mampiasa fanontaniana sy sarinteny Yaveh eto mba hisarihana ny saina. Mampitaha ny fiantsambon'ny sambo amin'ny rahona sy voromailala Izy. Io ihany koa dia sarin'ny Israelita niverina any amin'ny tanàna izay azy ireo izy ireo. DH: "Indro, mahita zavatra tahaka ny rahona mihetsika faingana ary tahaka ny voromailala miverina any amin'ny akaniny Aho."

ny tany amorontsiraka

Io dia manondro ny olona izay monina ao amin'ireo tany morontsiraka ary manoritsoritra ny faritry ny tany morontsiraka toy ny hoe olona mijery izany. DH: "Ny olona avy amin'ireo tany morontsiraka"

ny sambon'i Tarsisy

Io dia fiteny izay matetika midika hoe sambo lehibe maharitra ho an'ny dia lavitra.

Ilay Masin'Israely

Adikao tahaka ny tao amin'ny 1:4 io.

efa nanome voninahitra anao Izy

"Efa nanome voninahitra anao Yaveh, ry vahoakan'Israely"