plt_tn/isa/59/09.md

16 lines
856 B
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Isaia.
# lavitra anay ny rariny
Eto ny hoe "anay" dia manondro an'i Isaia sy ny vahoakan'Israely. Ny hoe "lavitra" dia manambara fa lasa ny rariny sady sarotra alaina. DH: "lasa ny rariny ary tena sarotra ny maka izany"
# Miandry fahazavana izahay, nefa mahita aizina; mitady famirapiratana izahay, kanefa mandeha amin'ny aizina
Ny tsirairay amin'ireo andianteny ireo dia midika fa miandry ny hatsaran'Andriamanitra ny vahoaka, nefa toa tahaka ny hoe nanadino azy ireo Izy.
# Mitsapatsapa rindrina tahaka ny jamba...tahaka ny olona maty izahay
Io dia midika fa satria tsy tonga teo amin'izy ireo Andriamanitra, dia nahatsapa ho tsy misy mpamonjy izy ireo, fa tsy hoe nahita lala-marina sy kivy noho ny hoavy, ary tsy misy fanantenana ho an'ny fiainana mavitrika.