plt_tn/isa/57/14.md

955 B

Amboary, amboary! Savao ny lalana! Esory eo amin'ny lalan'ny vahoako ny zavatra manafintohina rehetra

Manindry Yaveh ary mandodona fa efa misy lalana mazava sy mahitsy azon'ny olona hiverenana any Aminy sady tsy misy sakana mba hanompoana an'i Yaveh. Io dia manahaka ny 40:3.

Fa izao no lazain'Ilay ambony sy avo, izay velona mandrakizay

Ny teny hoe "avo" sy "ambony" dia midika zavatra iray ihany eto ary manindry fa efa nasandratra Yaveh. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 6:1 sy 33:10. Jereo ny nandikanao izany andianteny izany tao amin'ny 52:13.

mba hamelomana indray ny fanahin'ireo izay manetry tena, ary mba hamelomana indray ny fon'ireo izay manenina

Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manindry fa hampahery sy hankahery ireo izay manetri-tena eo anatrehany Yaveh.

fanahy...fo

Ireo dia manondro ny eritreritra sy ny fihetseham-pon'ny olona, fa tsy ny fanahy sy fo ara-bakiteny akory.