plt_tn/isa/56/09.md

802 B

Ianareo bibidia rehetra any an-tsaha, avia ka arapao, ianareo bibidia rehetra any an'ala

Miantso ireo tafik'ireo firenena hafa amin'ny fampitahana azy ireo amin'ny biby mba ho avy sy hanafika ny vahoakan'Israely Yaveh.

Ireo mpitiliny rehetra dia jamba

Io dia midika fa ireo mpitarik'Israely dia tsy afaka ary mety tsy te hahita izay miseho ao amin'ny fiaraha-monina.

Amboa moana avokoa izy rehetra

Ireo mpitarika dia tokony hanokatra ny vavany ary hampitandrina ny vahoaka, nefa tsy nanao izany izy ireo. Ny fampitahana ny olona amin'ny aliaka ao amin'izany fiaraha-monina izany dia tena fanesoana be tokoa.

Manofy, sy mitsilailay izy ireo ary tia matory

Io dia midika fa tsy nitondra ny teny fampitandreman'i Yaveh tamin'ny Israely ireo mpitarika fa naleony ny fiadanan'izy ireo ihany.