plt_tn/isa/55/10.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'i Jerosalema Yaveh.

Fa toy ny orana sy ny fanala...tsy miverina eny

Io dia tahaka ny fanoritsoritana ny orana sy fanala izay lasa entona.

dia toy izany koa ny teniko...hahomby ho an'izay nandefasako azy izany

Ny teniny dia resahin'i Yaveh toy ny hoe olona izay nalefany toy ny mpitondra hafany mba hanatanteraka ny asa.

ny teniko izay ho aloaky ny vavako

Eto ny teny hoe "vava" dia manambara an'i Yaveh mihitsy. DH: "ny teny izay nolazaiko"

tsy mba hiverina Amiko tsy nanao na inona na inona

Eto ny fanoritsoritana ny teny miverina amin'i Yaveh dia midika fa nahatanteraka ny asa izay nandefasan'i Yaveh azy mba hotanterahina izany. Ny hoe tsy hiverina nefa "tsy nilaina" dia midika fa hahatanteraka ny asany izany. DH: "hahatanteraka ny asany izany"

fa hanatanteraka izay iriako, ary hahomby ho an'izay nandefasako azy izany

Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manindry fa hitranga izay lazain'i Yaveh. DH: "nefa hanatanteraka izay iriako Aho, ary ireo zavatra izay lazaiko dia hataoko mitranga"