plt_tn/isa/54/01.md

764 B

ianao ry vehivavy momba...ny zanaky ny vehivavy manambady

Ny filazan'i Yaveh ny vahoakan'i Jerosalema mba hifaly satria hisy olona marobe hipetraka any Jerosalema dia resahina toy ny hoe nilaza tamin'ny vehivavy momba ho hanan-janaka maro i Yaveh.

miravoravoa amin'ny hiram-pifaliana ary mihiakà mafy, ianareo izay tsy mba nihetsi-jaza

Io fehezanteny io dia midika zavatra iray amin'ny tapan'ny fehezanteny voalohany ihany.

Fa ny zanaky ny mpitondratena dia maro kokoa

Ny tranga izay hitranga amin'ny hoavy dia resahina toy ny hoe nitranga tany aloha izany. Io dia manindry fa hitranga tokoa ny tranga. DH: "Fa ho maro ny zanaky ny mpitondratena"

ny mpitondratena

Eto ny hoe "mpitondratena" dia midika fa nanary sy nandao azy ny vadin-dravehivavy.