plt_tn/isa/53/12.md

927 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola manohy manoritsoritra ilay mpanompony Yaveh.

Noho izany dia hanome Azy ny anjarany eo amin'ireo maro Aho, ary hizara ireo babo amin'ny maro Izy

Ireo fehezanteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany. Ny hoe "anjara" sy "babo" dia manondro ny mpanjaka iray rehefa avy mizara ny babo na ireo valisoa amin'ny tafiny taorian'ny fandresena amin'ny ady. Izany dia midika fa hanome voninahitra lehibe ilay mpanompony noho ny sorony Andriamanitra.

ireo maro

Ireo dikanteny maro dia mandika io fiteny io hoe "ny mahery."

satria nampiharihary ny tenany tamin'ny fahafatesana Izy

Ny hoe "nampiharihary" dia midika hoe marefo na tsy voaaro. Nametraka ny tenany tamin'ny tranga izay hahafaty Azy ilay mpanompon'i Yaveh. DH: "nanaiky an-tsitra-po ny fahafatesana Izy"

ary natao ho isan'ireo mpandika lalàna

DH: "ary namela ny olona hitondra Azy tahaka ny mpanao herisetra Izy"