plt_tn/isa/52/15.md

839 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola manohy miresaka momba ny mpanompony Yaveh.

hamafy firenena maro ny mpanompoko

Ilay mpanompo mahatonga ny vahoakan'ireo firenena ho eken'i Yaveh dia resahina toy ny hoe mpisorona izay mamafy ny ràn'ny sorona mba anaovana ny olona iray ho eken'i Yaveh ilay mpanompo.

hamafy

Ny teny Hebreo nadika hoe "mamafy" eto dia afaka adika hoe "gaga" na "taitra", izay ataon'ny Baiboly sasany ihany koa.

firenena maro

Eto ny "firenena" dia manondro ny vahoaka ao amin'ireo firenena.

ireo mpanjaka dia hanakombona ny vavany

Ny andianteny hoe "hanakombona ny vavany'' dia fomba fiteny. DH: "tsy hiresaka intsony ireo mpanjaka" na "hangina ireo mpanjaka"

izay tsy mbola nolazaina azy ireo

DH: "izay tsy nisy olona nilaza taminareo" na "zavatra izay tsy mbola nisy olona nilaza taminareo"