plt_tn/isa/52/13.md

849 B

ho ambony sy hisandratra izy, ary ho avo indrindra

Ireo andianteny hoe "ambony sy hisandratra" ary "ho avo indrindra" ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manindry fa hanome voninahitra ny mpanompony Yaveh. Jereo ny nandikanao ny andianteny mitovy amin'izany ao amin'ny 33:10. DH: "Hanome voninahitra lehibe ny mpanompoko Aho"

nigagan'ny maro taminao

Eto ny hoe "taminao" dia manondro ilay mpanompon'i Yaveh. Na izany aza, dia mety hanapa-kevitra ny hanova ny hoe "taminao" ho "taminy" ireo mpandika teny.

simba loatra tsy toy ny an'olombelona ny tavany, ary tsy hita toy ny olombelona

Midika izany fa simba ny tarehin'ilay mpanompo satria namely mafy azy ireo fahavalo. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "mamely mafy dia mafy ny vatany ireo fahavalo ka tsy toy ny olombelona intsony izy"