plt_tn/isa/52/09.md

914 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Isaia.

ianareo ry ravan'i Jerosalema

Ny faharavan'i Jerosalema dia resahin'i Isaia toy ny hoe olona izay afaka mifaly ireo. Io dia manambara ny vahoakan'i Jerosalema izay resy. DH: "ianareo olona izay miaina eo amin'ny faharavan'i Jerosalema"

efa nanavotra an'i Jerosalema Izy

Eto "Jerosalema" dia manondro ny vahoaka. DH: "efa nanavotra ny vahoakan'i Jerosalema Izy"

nampiseho ny sandriny masina

Eto ny "sandry" dia manambara ny herin'i Yaveh. Ny fanehoan'i Yaveh amin'ny vahoakan'ireo firenena rehetra fa masina sy mahery Izy dia resahina toy ny hoe mpiady izay nanala ny akanjony, nampiseho ny sandriny ho amin'ny ady Izy. DH: "nampiseho ny fahamasinany sy ny heriny lehibe"

ny firenena rehetra...ny tany rehetra

Eto ny "firenena'' sy "tany" dia manambara ny vahoaka ao amin'ireo firenena rehetra eran-tany.