plt_tn/isa/51/13.md

1.5 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.

Nahoana no nanadino an'i Yaveh...ny tany?

Mampiasa fanontaniana Yaveh mba hanindriana fa tsy tokony hanadino an'i Yaveh izy ireo. Mety soratana ho fehezanteny izany. DH: "Tsy tokony manadino an'i Yaveh ianao...ny tany."

Mpahary

Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 17:6 io anaran'i Yaveh io.

izay namelatra ny lanitra

Io dia miresaka an'i Yaveh nahary ny lanitra toy ny hoe namelatra izany tahaka ny famelarana lamba lehibe Izy. DH: "izay namelatra ny lanitra tahaka ny lamba"

ny fanorenann'ny tany

Ny teny hoe "fanorenana'' amin'ny ara-dalàna dia manondro ny rafi-bato izay manohana ny trano avy ambany. Eto dia manoritsoritra ny rafitra izay natao hanohana sy hampipetraka ny tany amin'ny toerany ihany izany. Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 24:17 ihany io andianteny io.

ny firehetan'ny fahatezeran'ny mpampahory rehefa manapa-kevitra ny handringana izy

"ny firehetan'ny fahatezeran'ny mpampahory rehefa manapa-kevitra ny hahatonga faharinganana izy"

ny firehetan'ny fahatezerana

Eto ny teny hoe "firehetana" dia midika hoe "mahery" na "lehibe". DH: "ny hatezerana lehibe"

Aiza ny fahatezeran'ny mpampahory?

Mampiasa fanontaniana Yaveh mba hanindriana fa tsy tokony hatahotra ireo izay te ampahory azy ireo izy ireo. Tsy hampatahotra azy ireo intsony ny mpampahory azy ireo. Afaka soratana ho fehezanteny izany. DH: "Tsy fampitahorana ny fahatezeran'ny mpampahory!"