plt_tn/isa/51/11.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ity dia tena mitovy amin'ny 35:10.

Ny navotan'i Yaveh

Io dia manondro ny vahoaka izay navotan'i Yaveh. DH: "Ireo izay navotan'i Yaveh"

am-pifaliana mandrakizay eo amin'ny lohan'izy ireo

Io dia mampiasa lohan'olona mba hilazana ilay olona manontolo. DH: "ho ravoravo mandrakizay izy ireo"

firavoravoana sy am-pifaliana...alahelo sy ny fisaonana

Ny teny hoe "firavoravoana" sy "fifaliana" dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny, tahaka ny "alahelo" sy "fisaonana" ihany koa. Ireo miaraka dia manindry ny herin'ireo fihetseham-po ireo.

fifaliana sy faharavoravoana hameno azy ireo

Io dia miresaka ny olona izay safotry ny hafaliana sy haravoana amin'ny fanehoana ireo fihetseham-pon'ny toetran'olombelona izay afaka mahazo ny olona ireo. DH: "ho safotry ny hafaliana sy haravoana izy ireo" na "ho ravo sy ho faly tanteraka izy ireo"

handositra ny alahelo sy ny fisaonana

Io dia miresaka ny olona izay tsy malahelo sy misaona intsony amin'ny filazana ireo fihetseham-po ireo toy ny hoe afaka mandositra. DH: "tsy halahelo sy hisaona intsony izy ireo"