plt_tn/isa/51/07.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.

izay manana ny lalàko ao am-ponareo

Ny fananana ny lalàn'Andriamanitra ao am-po dia manambara ny fahafantarana ny lalàn'Andriamanitra sy ny fitiavana hankatoa izany. DH: "izay mahafantatra sy hanome voninahitra ny lalàko"

na kivy amin'ny fanararaotany

DH: "ary aza kivy rehefa mandratra anareo izy ireo"

Fa ny kalalao hihinana azy ireo toy ny akanjo, ary ny kankana hihinana azy ireo toy ny volon'ondry

Ny olona izay manararaotra ireo izay marina dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe akanjo volon'ondry izy ireo ary izy ireo rava toy ny hoe nihinana azy ireo ny bibikely.

ho mandrakizay ny fahamarinako

Ny "fahamarinan'Andriamanitra" eto dia manambara Azy manapaka amin'ny fahamarinana. DH: "ho mandrakizay ny fanapahako marina" na "hanapaka am-pahamarinana mandrakizay Aho"

ary ho an'ny taranaka rehetra ny famonjeko

Ny "famonjen'Andriamanitra" eto dia manambara ny vokatry ny famonjeny, izay fahafahana izany. Ny hoe "ho an'ny taranaka rehetra" dia manambara ny faharetana mandrakizay. DH: "Hanavotra anareo Aho, ary ho afaka mandrakizay ianareo"