plt_tn/isa/50/01.md

1.2 KiB

Aiza ny fanamarinam-pisarahana izay nisarahako tamin'ny reninareo?

Ziona dia resahin'i Yaveh toy ny hoe renin'ny vahoaka izay nonina tao ny tanàna ary ny fandefasana ny vahoaka ho any an-tsesitany toy ny hoe nisaraka tamin'ny renin'izy ireo Izy.

Aiza ny fanamarinam-pisarahana izay nisarahako tamin'ny reninareo?

Mametraka io fanontaniana fampisainana io Yaveh mba hamoaka ny "fanamarinam-pisarahana", izay hahatonga ny antony nandefasan'i Yaveh azy ireo ho any an-tsesitany ny vahoaka. DH: "Asehoy ahy ny fanamarinam-pisarahana izay nisarahako tamin'ny reninareo."

Iza tamin'ireo mpampisambotra Ahy no nivarotako anareo?

Mametraka io fanontaniana fampisainana io Yaveh mba hanindriana fa tsy nivarotra azy izy ireo Izy satria nananan'ny mpampisambotra vola Izy. Mazava fa izany no noheverin'ny olona. DH: "Tsy nivarotra anareo Aho satria nananan'ny olona vola."

namidy ianareo noho ireo fahotanareo, ary noho ireo fikominareo, dia nalefa nandeha ny reninareo

Manome ny antony nandefasany ny vahoaka ho any an-tsesitany, izay resahiny toy ny hoe nivarotra azy ireo ary nisaraka tamin'ny renin'izy ireo Yaveh. DH: "Nivarotra anareo noho ny fahotanareo Aho, ary nisaraka tamin-dreninareo noho ny fikomianareo"