plt_tn/isa/49/26.md

1.0 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola manohy miresaka amin'i Ziona toy ny hoe olona Yaveh.

Ho fahanako amin'ny nofon'ny tenany ireo mpampahory anao

Ireo mety ho heviny dia 1) ho noana tokoa ireo mpampahory ka hihinana ny nofon'ny naman'izy ireo izay maty izy ireo. DH: "Hataoko mihinana ny nofon'izy ireo ihany ireo mpampahory" na 2) Ireo mpampahory miady sy mamotika ny tenany dia resahin'i Yaveh toy ny hoe mihinana ny tenany izy ireo. DH: "Hataoko mamotika ny tenany ireo mpampahory anao, toy ny hoe mihinana ny nofony ihany izy ireo"

ary ho mamon'ny ràny ihany izy ireo, tahaka ny hoe divay izany

Ireo mety ho heviny dia 1) hangetaheta tokoa ireo mpampahory ka hisotro ny ràn'ireo namany izay maty ihany izy ireo. DH: "ary hisotro ny ràn'ireo namany izy ireo ka ho tahaka ny olona malemy izay mamon'ny divay izy ireo" na 2) Ireo mpampahory miady sy mamotika ny tenany dia resahin'i Yaveh toy ny hoe misotro ny ràny izy ireo. DH: "ary handatsaka ny ràn'ireo namany be dia be izy ireo mba ho toy ny hoe mamon'ny divay izy ireo"