plt_tn/isa/49/23.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola manohy miresaka amin'i Ziona toy ny hoe vehivavy Yaveh.

Ireo mpanjaka no ho ray mpamelona anao, ary ireo mpanjakavaviny no ho mpifehy anao

Ny vahoaka izay nipetraka tany Ziona dia resahin'i Yaveh toy ny hoe zanaky ny tanàna izy ireo. Ny fiteny hoe "ray mpamelona" sy "mpifehy" dia manondro ireo lehilahy sy ireo vehivavy izay lasa tompon'andraikitra amin'ny fikarakarana zaza. DH: "Ireo mpanjaka sy mpanjakavavin'ny firenena hafa no hamatsy ny mponinao"

hiankohoka amin'ny tavany amin'ny tany aminao izy ireo ary hilelaka ny vovoka eo an-tongotrao

Ireo andianteny ireo dia manoritsoritra ireo fihetsika izay nampiasain'ny olona mba hanehoana fanekena tanteraka ny olona ambony.

hilelaka ny vovoka eo an-tongotrao

Ireo mety ho heviny dia 1) io dia fiteny hanehoana fanekena izay ilelafan'ny olona ny vovoka amin'ny tongotry ny ambony na amin'ny tany amin'ny tongotry ny ambony na 2) io dia fomba fiteny izay manoritsoritra olona miankohoka eo anatrehan'ny olona ambony.

tsy ho menatra

DH: "tsy ho afa-baraka" na "tsy ho diso fanantenana"