forked from WA-Catalog/plt_tn
32 lines
1.5 KiB
Markdown
32 lines
1.5 KiB
Markdown
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
|
|
|
|
Mbola manohy miresaka amin'i Ziona Yaveh.
|
|
|
|
# efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako ny anaranao
|
|
|
|
Ny tsy fanozongozona ny fanoloran-tenany ho an'i Ziona dia resahin'i Yaveh toy ny hoe nanoratra ny anarany teo am-pelatanany Izy.
|
|
|
|
# eo anoloako mandrakariva ny mandanao
|
|
|
|
Ny fiheverana mandrakariva ny momba an'i Ziona dia resahin'i Yaveh toy ny hoe eo anoloana mandrakariva ny mandany. Ny teny hoe "manda" dia sarinteny hilazana ny tanàna. DH: "Mihevitra momba ireo mandanao hatrany Aho" na "Mihevitra momba anao hatrany Aho"
|
|
|
|
# Miverina faingana ny zanakao
|
|
|
|
Ny olona izay miverina mipetraka any Jerosalema dia resahin'i Yaveh toy ny hoe tanànan'ny zanak'izy ireo izany. DH: "Miverina faingana ireo mponina ao aminao"
|
|
|
|
# Raha mbola velona tokoa Aho
|
|
|
|
Io dia rijan-teny fianianana izay ampiasain'i Yaveh mba hanomezana antoka ny fahamarinan'izay lazainy.
|
|
|
|
# izany no fanambaran'i Yaveh
|
|
|
|
Afaka soloina ny teny ka hambara amin'ny matoanteny hoe "manambara" na "milaza" ny anarana hoe "fanambarana". Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 14:21. DH: "izany no nambaran'i Yaveh" na "izany no nolazain'i Yaveh"
|
|
|
|
# hiakanjo ireo tahaka ny firavaka tokoa ianao, ary hitafy ireo tahaka ny ampakarina ianao
|
|
|
|
Ireo mponin'i Ziona dia resahin'i Yaveh toy ny hoe firavaka izay anaovan'ny tanàna mba hanehoana ny hatsarany sy ny hafaliana ireo.
|
|
|
|
# hitafy ireo tahaka ny ampakarina ianao
|
|
|
|
Ny tapany faran'ny andianteny dia afaka azavaina amin'ny andalana teo aloha. DH: "hanao ireo, tahaka ny ampakarina manao firavaka ianareo"
|