plt_tn/isa/48/12.md

1.6 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.

ry Jakoba, sy ry Israely

Ireo dia samy manondro ny vahoakan'Israely avokoa.

Izaho no voalohany, Izaho ihany koa no farany

Io andianteny io dia manindry ny maha-mandrakizay an'i Yaveh. Ireo mety ho heviny dia 1) "Izaho no ilay izay nanomboka ny zavatra rehetra, ary Izaho no ilay izay mamarana ny zavatra rehetra na 2) "Izaho no ilay izay velona mandrakariva, ary Izaho no ilay izay ho velona mandrakariva." Jereo ny nandikanao izany andianteny izany tao amin'ny 44:6.

nametraka ny fanorenana ny tany ny tanako, ary mamelatra ny lanitra ny tanako havanana

Eto ny "tanana" dia manondro an'i Yaveh. DH: "Nametraka ny fanorenana ny tany Aho, ary mamelatra ny lanitra Aho"

ny fanorenana ny tany

Ny teny hoe "fanorenana'' amin'ny ara-dalàna dia manondro ny rafi-bato izay manohana ny trano avy a,ny ambany. Eto dia manoritsoritra ny rafitra izay natao hanohana sy hampipetraka ny tany amin'ny toerany ihany izany. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 24:17.

mamelatra ny lanitra

Ny faharian'i Yaveh ny lanitra sy ny tany dia resahin'ny mpaminany toy ny hoe zavatra nenjanin'i Yaveh ny lanitra sy ny tany. Jereo ny nandikanao izany andianteny izany ihany tao amin'ny 42:5.

rehefa miantso azy ireo Aho, dia miara-mitsangana izy ireo

Ny fitsanganana rehefa miantso Yaveh dia sarinteny hilazana ny hoe vonona ny hankatoa Azy. Ny tany sy ny lanitra dia resahin'i Yaveh toy ny hoe afaka mandre Azy sy mankatoa Azy ireo.

rehefa miantso azy ireo Aho

Ireo mety ho heviny dia 1) "rehefa miantso ny tany sy ny lanitra Aho" na 2) "rehefa miantso ny kintana eny amin'ny lanitra Aho."