plt_tn/isa/44/09.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola manohy miteny Yaveh.

zava-poana ireo zavatra ankasitrahany

"ireo sampy izay ankasitrahan'izy ireo dia tsy mendrika"

ny vavolombelon'izy ireo dia tsy mahita na mahalala na inona na inona

Io andianteny io dia manondro ireo izay manompo ireo sampy ireo sy ireo izay milaza ho vavolombelon'ny herin'ny sampy. Ny tsy fahavitan'izy ireo mahatakatra ny marina dia resahin'i Yaveh toy ny hoe jamba izy ireo. DH: "ireo izay atao ho vavolombelona ho an'ireo sampy ireo dia tahaka ny olona jamba izay tsy mahalala na inona na inona"

halaim-baraka izy ireo

DH: "ho afa-baraka izy ireo" na "hanala baraka azy ireo ny sampin'izy ireo"

Iza no hamolavola andriamanitra na hanamboatra sampy izay zava-poana?

Mampiasa io fanontaniana io Yaveh mba hibedesana ireo izay manao sampy. Io fanontaniana io dia afaka adika ho fehezanteny. DH: "Ireo adala ihany no hanao andriamanitra na hisokitra sampy izay tsy mendrika."

sampy izay zava-poana

Ny teny hoe "zava-poana" dia tsy manavaka na sampy tsy mendrika na sampy mendrika, satria ny sampy rehetra dia samy tsy mendrika avokoa. DH: "nanao sampy tsy mendrika"