plt_tn/isa/44/08.md

1021 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.

Aza matahotra na miahiahy

Mampiasa ireo fiteny roa mitovy ireo Yaveh mba hanamafisana ny fampaherezany. DH: "Aza matahotra"

Moa ve Aho tsy efa nanambara taminareo tany aloha tany, ka nilaza izany?

Mampiasa io fanontaniana io Yaveh mba hanindriana fa Izy no ilay izay naminany ireo tranga izay efa nitranga ankehitriny. Afaka adika ho fehezanteny izany. Ny teny hoe "nilaza" dia midika zavatra iray amin'ny hoe "nanambara" ihany amin'ny ankapobeny. DH: "Nanambara ireo zavatra ireo taminareo tany aloha be tany Aho."

Moa ve misy Andriamanitra afa-tsy Izaho?

Mampiasa fanontaniana indray Yaveh mba hanindriana fa tsy misy Andriamanitra hafa. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fehezanteny. DH: "Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho."

Tsy misy Vatolampy hafa

Miresaka ny tenany toy ny hoe vatolampy lehibe izay azon'ny olona hialofana Yaveh. Midika izany fa manana hery hiarovana ny vahoakany Izy.