plt_tn/isa/43/08.md

1.3 KiB

ny olona izay jamba...marenina

Ireo izay tsy mihaino Azy na mankatoa Azy dia resahin'i Yaveh toy ny hoe jamba sy marenina izy ireo.

Iza amin'izy ireo no afaka nanambara izany sy nanambara taminay ireo tranga teo aloha?

Io fanontaniana fampisainana io dia mihatra amin'ireo andriamanitra izay tompoin'ny vahoakan'ireo firenena. Ny valiny efa fantatra dia hoe tsy misy amin'izy ireo afaka manao izany. Afaka adika ho fehezanteny io fanontaniana io. DH: "Tsy nisy tamin'ny andriamanitr'izy ireo afaka nanambara izany na nilaza taminay ireo tranga teo aloha izany."

nanambara taminay ireo tranga teo aloha

Io andianteny io dia manondro ny fahafahan'izy ireo milaza momba ireo tranga izay nitranga tany aloha nialohan'ny nitrangan'izany. DH: "nanambara taminay ireo tranga teo aloha nialohan'ny nitrangan'ireo"

Aoka izy ireo hitondra ny vavolombelony mba hanaporofo marina azy ireo, aoka izy ireo hihaino sy hanamafy hoe:' Marina izany.'

Manao fanamby amin'ireo andriamanitra izay tompoin'ireo firenena Yaveh mba hitondra vavolombelona izay hijoro vavolombelona fa afaka manao ireo zavatra ireo izy ireo, na dia fantany aza fa tsy afaka manao izany ireo. DH: "Ireo andriamanitra ireo dia tsy manana vavolombelona izay hanaporofo fa marina izy ireo, dia vavolombelona izay hihaino sy hanaiky hoe: "Marina izany.""