plt_tn/isa/41/25.md

1.6 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Mbola manohy maneso ireo sampy sy ny vahoaka izay manompo izany Yaveh.

Efa nanangana iray

Ny fanendrena olona iray dia resahin'i Yaveh toy ny hoe nanangana izany olona izany Izy. DH: "Efa nanendry iray Aho"

avy any amin'ny fiposahan'ny masoandro

Io dia manondro ny any atsinanana, any amin'izay iposahan'ny masoandro. DH: "avy any atsinanana"

izay miantso ny anarako

Ireo mety ho heviny dia 1) izay miantso an'i Yaveh mba hahombiazany na 2) izay olona manompo an'i Yaveh.

hanitsaka ireo mpanapaka...izy

Ny fandresena ireo mpanapaky ny firenena hafa dia resahina toy ny hoe nohitsahina tamin'ny tongotra ireo. DH: "handresy ireo mpanapaka izy"

toy ny mpanefy tanimanga manitsakitsaka ny tanimanga

Mampitaha ny fomba izay hanitsahan'izany olona izany ireo mpanapaka hafa amin'ny fomba izay hanitsahan'ny mpanefy tanimanga izay mampifangaro izany amin'ny rano Yaveh.

Iza no nanambara izany hatrany am-piandohana, mba hahafantaranay? Alohan'izany fotoana izany, mba hilazanay hoe: "Marina izy''?

Mampiasa io fanontaniana fampisainana io Yaveh mba hanesoana ireo sampy izay tompoin'ny olona. Ny valiny andrasana dia 1) fa tsy nanao ireo zavatra ireo ny sampy na 2) fa Yaveh no Ilay Iray izay nanao ireo zavatra ireo. DH: "Tsy nisy tamin'ireo sampy nanambara izany hatramim-boalohany, mba hahafahanay mahalala izany. Ary tsy misy amin'izy ireo nanambara izany mialohan'ny fotoana, mba ahafahanay miteny hoe: "Marina izy."

Eny tokoa, tsy nisy nanao izany ho lalàna izy ireo, eny, tsy nisy naheno anareo nilaza zavatra

"Eny tokoa, tsy nisy tamin'ireo sampy nandidy izany. Eny tokoa, tsy nisy nandre anareo sampy nilaza zavatra"