plt_tn/isa/40/29.md

761 B

Manome hery ny reraka Izy; ary manome hery vao ho an'izay marary

Ireo andalana ireo dia midika zavatra iray ihany ary manindry fa mampahery ireo izay tsy manana hery Yaveh.

Manome hery ny reraka Izy

"Manome hery ny reraka Yaveh"

hanidina amin'ny elatra toy ny voromahery izy ireo

Ny fandraisan'ny vahoaka hery avy amin'i Yaveh dia resahina toy ny hoe afaka manidina tahaka ny fanidin'ny voromahery ny vahoaka. Ny voromahery dia biby izay ampiasaina matetika mba atao mariky ny hery sy fahefana.

hiazakazaka izy ireo ka tsy ho reraka; handeha izy ireo ary tsy ho torana

Ireo andalana ireo dia midika zavatra iray ihany. Ny fandraisan'ny vahoaka hery avy amin'i Yaveh dia resahina toy ny hoe afaka mihazakazaka sy mandeha nefa tsy reraka izy ireo.