plt_tn/isa/40/12.md

1.0 KiB

Iza no nandrefy...na ireo havoana tamin'ny mizana?

Ireo fanontaniana ireo dia miandry valiny ratsy ary manindry fa Yaveh irery ihany no afaka manao ireo zavatra ireo. DH: "Tsy misy olona afa-tsy Yaveh no nandrefy...ary ireo havoana tamin'ny mizana."

nandrefy ny rano teo am-pelatanany

Ny fahafantarana ny habetsaky ny rano ao amin'ny ranomasimbe dia resahina toy ny hoe nihazona ny rano teo an-tanany Yaveh.

nandrefy ny lanitra tamin'ny zehin'ny tanany

Ny "zehy'' dia fandrefesana halava amin'ny ankihibe sy ny ankihy kely rehefa henjanina ny tanana. Ny fahafantaran'i Yaveh ny halavan'ny lanitra dia resahina toy ny hoe nandrefy izany tamin'ny tanany Izy.

nihazona ny vovon-tany tanaty harona

Ny fahafantaran'i Yaveh ny habetsaky ny vovoka teto an-tany dia resahina toy ny hoe nitondra izany tao anaty harona Izy.

nandanja ny tendrombohitra tamin'ireo fandanjana, na ireo havoana tamin'ny mizana?

Ny fahafantaran'i Yaveh ny havesatry ny tendrombohitra dia resahina toy ny hoe nandanja ireo teo amin'ny fandanjana sy mizana Izy.