plt_tn/isa/40/03.md

1.2 KiB

Misy feo miantso mafy

Ny teny hoe "feo" dia manambara ny olona izay miantso mafy. DH: "Misy olona miantso mafy"

Omano ny lalan'i Yaveh any an'efitra; manaova lalam-be mahitsy any amin'ny tany foana ho an'ny Andriamanintsika

Ireo andalana roa ireo dia mifanindran-dalana ary midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. Ny olona manomana ny tenan'izy ireo amin'ny fandraisana ny vonjin'i Yaveh dia resahina toy ny hoe tokony hanomana ireo lalana mba handehanan'i Yaveh izy ireo.

tany foana

Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 35:1 io.

Ny lohasaha rehetra dia hasandratra, ary ny tendrombohitra sy havoana rehetra dia hankarina

Ireo andianteny ireo dia manazava ny fomba hanomanan'ny olona ny lalana ho an'i Yaveh. DH: "Manandratra ny lohasaha rehetra, ary manarina ny tendrombohitra sy havoana rehetra"

Ny lohasaha rehetra dia hasandratra

Ny fanaovana ny lohasaha ho marina hitovy amin'ny tany dia resahina toy ny hoe nanandratra ny lohasaha izany. DH: "Ho feno ny lohasaha rehetra"

ary ny voninahitr'i Yaveh dia ho ampahafantarina

DH: "Hanambara ny voninahiny Yaveh"

fa ny vavan'i Yaveh no niteny izany

Ny teny hoe "vava'' dia manambara an'i Yaveh mihitsy. DH: "fa Yaveh no efa niteny izany"