plt_tn/isa/37/03.md

1.5 KiB

Hoy izy ireo taminy

"Hoy ireo lehilahy nirahin'i Hezekia tamin'i Isaia"

tahaka ny zaza efa ho teraka, nefa ny reniny dia tsy manana hery hiterahana ny zanany

Io fampitahana io dia natao hanindriana fa ao anaty fotoan-tsarotra loatra izy ireo. DH: "Tena ratsy tahaka ny andro izay efa hahaterahan'ny zaza izany, nefa tsy mbola manana hery hiterahana azy ny reniny"

Mety ho ren'i Yaveh Andriamanitrao ihany ireo tenin'ny

Tsy manolotra hevitra mivantana Hezekia fa hoe raha mivavaka ny olona dia mety hihaino ary hiasa amin'izay lazain'ny lehibe mpifehy Yaveh. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "Mety hoe raha mivavaka amin'i Yaveh ianareo dia hihaino ny hafatra ny Andriamanitrareo"

ny lehibe mpifehy

Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 36:1 io andianteny io.

tompony

Io andianteny io dia midika fa ny mpanjaka no tompon'ny lehiben'ny mpifehy.

ka hiteny mafy ireo teny izay ren'i Yaveh Andriamanitrao

Eto ny andianteny hoe "ireo teny izay ren'i Yaveh Andriamanitrao" dia manondro izay nolazain'ny mpanjakan'i Asyria. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "ary hiteny mafy ny mpanjakan'i Asyria ny amin'izay nolazainy Yaveh Andriamanitrao"

asandrato...ny vavakao

Ny fivavahana amin'i Yaveh dia soritsoritana tahaka izany mba hanindriana fa any an-danitra Yaveh. Ny vavaka dia resahina toy ny hoe zavatra izay afaka asandratra ambony any an-danitra. DH: "mivavaha"

ho an'izay mbola tavela eto

Io dia manondro ny olona izay sisa tavela tany Jerosalema. DH: "ho an'ny vitsy amintsika izay mbola eto"