plt_tn/isa/36/18.md

1.5 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola manohy miteny ny hafatry ny mpanjakan'i Asyria amin'ny vahoakan'i Joda ny lehibe mpifehy. (Jereo: 36:16)

Moa nisy tamin'ireo andriamanitry ny vahoaka namonjy azy ireo tamin'ny...Asyria?

Mampiasa io fanontaniana io ny lehibe mpifehy mba hanesoana ny vahoakan'i Joda. Afaka soratana amin'ny fehezanteny izany fanontaniana izany. DH: "Tsy misy olon'andriamanitra namonjy azy ireo tamin'ny...Asyria."

tanan'ny mpanjaka

Ny fifehezan'ny mpanjaka dia tondroina amin'ny "tanany". DH: "ny fifehezan'ny mpanjaka"

Aiza ireo andriamanitr'i Hamata sy Arpada? Aiza ihany koa ireo andriamanitr'i Sefarvaima? Moa ve nahavonjy an'i Samaria tamin'ny heriko izy ireo?

Mampiasa io fanontaniana io ny lehibe mpifehy mba hanesoana ny vahoakan'i Joda. Afaka atambatra ary soratana amin'ny fehezanteny izany fanontaniana izany. DH: "Tsy namonjy ny vahoakan'izy ireo tamin'ny heriko ireo andriamanitr'i Hamata, Arpada, Sefarvaima, ary Samaria."

Hamata...Arpada

Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 10:7 ireo anaran-tanàna ireo.

Sefarvaima

Io dia anaran-tanàna.

nisy andriamanitra nahavonjy...tahaka ny hoe afaka mamonjy an'i Jerosalema amin'ny heriko ve Yaveh?"

Mampiasa io fanontaniana io ny lehibe mpifehy mba hanesoana ny vahoakan'i Joda. Afaka soratana amin'ny fehezanteny izany fanontaniana izany. DH: "tsy misy andriamanitra izay namonjy...ary tsy hamonjy anareo izay any Jerosalema tsy hiharan'ny heriko Yaveh."

ny taniny

Io dia manondro ny olona izay mipetraka ao amin'ilay tany. DH: "ny vahoakany"