plt_tn/isa/36/09.md

1.4 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ity dia manohy ny hafatry ny mpanjakan'i Asyria ho an'i Hezekia. Miteny ny hafatra amin'ireo lehilahin'i Hezekia ny lehibe mpitarika. (Jereo: 36:4)

Ahoana no afahanao manohitra na ny kapiteny iray...mpanompon'ny tompoko aza?

Mbola manohy maneso an'i Hezekia sy ny tafiny ihany ny lehibe mpitarika. Rehefa miteny hoe "ianao", izay manondro an'i Hezekia izy, dia manondro ny tafik'i Hezekia izy izay. Io fanontaniana io dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Tsy afaka handresy na dia kapiteny iray aza ny tafikao...mpanompon'ny tompoko aza."

Ka izao, moa nandeha taty tsy niaraka tamin'i Yaveh mba hiady hanohitra ity tany ity sy handrava izany ve aho?

Mampiasa fanontaniana hafa mba hanesoana an'i Hezekia sy ny vahoakan'i Joda ny lehibe mpitarika. Afaka soratana ho fehezanteny io fanontaniana io. DH: "Tonga teto nohon'ny baikon'i Yaveh dia ny handravana an'i Jerosalema aho."

tsy niaraka tamin'i Yaveh

Eto "Yaveh" dia manondro ny baikon'i Yaveh. DH: "tsy tamin'ny baikon'i Yaveh"

hanohitra ity tany ity sy handrava izany...Manafia ity tany ity ary ravao izany

Io dia midika hoe miady amin'ny vahoaka ka mahatonga faharavana any amin'ny toerana izay ipetrahan'izy ireo. Ny tany dia manondro an'i Jerosalema eto. DH: "hanohitra ity vahoaka ity ary handrava ny tanin'izy ireo...Manafia ity vahoaka ity ary ravao ny tanin'izy ireo"