plt_tn/isa/36/06.md

2.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ity dia manohy ny hafatry ny mpanjakan'i Asyria ho an'i Hezekia. Miteny ny hafatra amin'ireo lehilahin'i Hezekia ny lehibe mpitarika. (Jereo: 36:4)

Indro

Mampiasa io fomba fiteny io i Sankeriba mba hisarihana ny sain'i Hezekia ny amin'izay lazaina manaraka eo. DH: "Henoy"

matoky an'i Egypta

Eto ny hoe "Egypta" dia manondro ny tafika Egyptiana. DH: "matoky ny tafika Egyptiana"

izay volotara mitsiparaka izay ampiasainareo tahaka ny tehina ianareo, nefa raha miantehitra amin'izany ny olona iray, dia hifikitra amin'ny tanany ka hanindrona azy izany

Io dia miresaka an'i Egypta, indrindra ny tafiny sy ny Faraony, toy ny hoe volotara mitsiparaka mba hanindriana fa ny fianteherana amin'ireo dia tsy hanampy azy ireo fa hanisy ratsy azy ireo fotsiny ihany. DH: "izay tahaka ny mandeha amin'ny volotara mitsiparaka mba hatao tehina. Raha miantehitra amin'izany ny olona iray, dia hiraikitra eo amin'ny tanany izany ka hanindrona izany"

volotara mitsiparaka

Ny volotara dia sampan-java-maniry lava, manify izay tahaka ny ahitra lava. Raha atsiparaka na simbaina izany dia tsy mahavita mitondra mavesatra.

ny tehina

Io dia tsora-kazo izay ampiasain'ny olona mba hanohana azy rehefa mandeha izy, vita amin'izay karazana rantsan-kazo rehetra izay hita eny an-dalana izany.

tsy Azy ve ireo toerana avo sy ireo alitara izay nalain'i Hezekia...Jerosalema ity"?

Mampiasa io fanontaniana io ny mpanjakan'i Asyria mba hanazavana fa tezitra tamin'izay nataon'i Hezekia Yaveh ka tsy hiaro azy ireo. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fehezanteny. DH: "Azy ireo toerana avo sy ireo alitara izay nalain'i Hezekia...Jerosalema" na "Izy no Ilay izay notsiratsirain'i Hezekia tamin'ny fandravana ireo toerany avo sy ireo alitarany...Jerosalema." (UDB).

efa niteny tamin'i Joda sy Jerosalema hoe: "Miankohofa eo anoloan'ity alitara any Jerosalema ity"?

"Joda" sy "Jerosalema" dia manondro ny vahoaka izay mipetraka ao amin'ireo. DH: "efa niteny tamin'ny vahoakan'i Joda sy Jerosalema fa tsy maintsy hanompo ny alitarany any Jerosalema ihany izy ireo."