plt_tn/isa/35/10.md

1.1 KiB

ny navotan'i Yaveh

Ny hoe "nanavotra" dia midika hoe "mamonjy". Io dia manondro ny olona izay novonjen'i Yaveh. DH: "ireo izay novonjen'i Yaveh"

fifaliana mandrakizay no ho eo an-dohan'izy ireo

Ity dia mampiasa ny lohan'ny olona mba hilazana ilay olona manontolo mihitsy. DH: "hanana fifaliana maharitra mandrakizay izy ireo"

fihobiana sy firavoravoana...alahelo sy ny fisentoana

Ny teny hoe "fihobiana" sy "firavoravoana" dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny, ary toy izany koa ny hoe "alahelo" sy "fisentoana". Ireo miaraka dia manindry ny herin'ireo fihetseham-po ireo.

hahazo fihobiana sy firavoravoana izy ireo

Io dia miresaka ny olona izay safotry ny haravoana sy hafaliana amin'ny fanomezana ireo fihetseham-po ny toetry ny olombelona izay afaka mahazo ny olona amin-kery ireo. DH: "ho safotry ny haravoana sy hafaliana izy ireo"

handositra ny alahelo sy ny fisentoana

Io dia miresaka ny olona izay tsy malahelo sy misento intsony amin'ny fanomezana ireo fihetseham-po ny fahafahan'ny olombelona mitsoaka. DH: "tsy halahelo sy hisento intsony izy ireo"