plt_tn/isa/34/16.md

1.2 KiB

Tadiavo ao amin'ny horonan-taratasin'i Yaveh

Ny andianteny hoe "ny horonan-taratasin'i Yaveh" dia midika fa misy ny hafatra izay nolazain'i Yaveh izany. DH: "Vakio tsara izay nosoratana tao amin'izany horonan-taratasy izay misy ny hafatr'i Yaveh izany"

tsy misy iray amin'ireo

"tsy misy iray amin'ireo biby ireo"

Tsy misy tsy hanana namana

DH: "Hanana namana avokoa ny biby tsirairay avy"

fa ny vavany no efa nandidy izany

Tondroina amin'ny "vavany" Yaveh mba hanindriana izay efa nolazainy. DH: "fa Yaveh no efa nandidy izany"

Nanao filokana ho an'ny toeran'ireo Izy

Io dia miresaka an'i Yaveh manapa-kevitra ny amin'izay hoe aiza no hametrahana ireo biby toy ny hoe nanao an-tsapaka hifidianana ny toeran'ireo mihitsy Izy. DH: "Efa namaritra izay hitoeran'ireo Izy"

ary ny tanany no nandrefy izany tamin'ny tady ho azy ireo

Io dia manondro ny fomba izay andrefesan'ny olona ireo zavatra tamin'ny fotoan'ny baiboly. DH: "ary nanome toerana ho an'ireo biby Izy"

hatramin'ny taranaka faramandimby no

Ny andianteny hoe "taranaka faramandimby" dia manondro ny taranaky ny vahoaka rehetra izay hiaina amin'ny hoavy. Jereo ny nandikanao ny andianteny hoe "hatramin'ny taranaka faramandimby" ao amin'ny 13:19. DH: "mandrakizay no" na "ho mandrakizay"