plt_tn/isa/34/11.md

1.2 KiB

hitoetra any

"hitoetra ao amin'ny tanin'i Edoma"

vorondolo

Adikao tahaka ny tao amin'ny 13:21 io.

goaika

Io dia vorombe mainty. Sarotra ny mamantatra ny tena karazan'ireo vorona izay nolazaina tato amin'ity andininy ity. Na izany aza, dia vorona izay tia niaina tany amin'ireo toerana izay tsy misy olona avokoa ireo, koa dia manambara ireo toerana foana izany ireo.

ao amin'izany

"ao". Io dia manondro an'i Edoma.

Henjaniny eo amin'izany ny tady fandrefesan'ny fahapotehana sy ny pilao fandravana

Io dia miresaka an'i Yaveh toy ny hoe mpanangana tena mitandrina raha mahatonga faharavana ao Edoma Izy. DH: "Handrefy izany tany izany tsara Yaveh; handrefy izany mba hanapahana hoe aiza no hopotehina sy ho ravana Izy"

tady fandrefesana...pilao

Ireo dia fitaovan'ny mpanangana trano. Jereo ny nandikanao ireo teny ireo ihany tao amin'ny 28:17.

Ireo olo-mendri-kajany...ny andriandahiny

"Ireo olo-mendri-kajan'i Edoma...ny andriandahin'i Edoma"

ny andriandahiny rehetra dia ho tsinontsinona

Io dia manitatra ny fahaverezan'ireo andriandahy ny maha-mpanjaka azy ireo amin'ny filazana fa hanjary ho tsinontsinona izy ireo. DH: "ny andriandahiny rehetra dia tsy hanapaka intsony"