plt_tn/isa/34/01.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Miteny amin'ny haikanto Yaveh.

Ny tany sy izay mameno izany dia tsy maintsy mihaino, dia izao tontolo izao, sy ny zavatra rehetra avy amin'izany

Eto ny tany dia resahina toy ny hoe zavatra izay takiana mba hihaino an'i Yaveh mba hanindriana fa eo ambany fahefan'i Yaveh izany. Ireo andianteny mifanindran-dalana ireo dia sarinteny hilazana ny olona rehetra izay monina eto amin'izao tontolo izao. DH: "Amin'ny toerana rehetra na aiza na aiza eto an-tany, dia tsy maintsy mihaino izay lazaiko ny olona rehetra"

izao tontolo izao, sy ny zavatra rehetra avy amin'izany

Io dia andianteny fifanindrinan-dalana faharoa. Ny teny tsy eo dia azo ampiana amin'ireo andianteny io. DH: "izao tontolo izao, ary ny zava-drehetra izay avy ao amin'izany dia tsy maintsy mihaino"

nandrava azy ireo tanteraka Izy, nanolotra azy ireo teo an-tanan'ny mpamono Izy

Matetika ireo mpaminany dia miresaka ireo zavatra izay hitranga amin'ny hoavy toy ny hoe efa nitranga izany. Io dia manindry fa tena hitranga tokoa izany zavatra izany. DH: "Handringana tanteraka azy ireo Izy, hanolotra azy ireo eo amin'ny mpamono Izy"