plt_tn/isa/33/03.md

774 B

Amin'ny feo mafy no handosiran'ny olona

Ireo mety ho hevitry "ny feo mafy" dia 1) manondro ny feon'i Yaveh izany. DH: "Mandositra amin'ny feonao mafy ireo vahoaka" na 2) manondro ny feo mafin'ny tafik'i Yaveh izany. DH: "Mandositra amin'ny feo mafin'ny tafikao ny vahoaka"

mitsangana

Midika hoe manomboka manao zavatra izany. DH: "manomboka miasa"

Nangonina tahaka ny valala niangona ny babonao; tahaka ny fifanaretsak'ireo andiam-balala, no ifanaretsahan'ny olona amin'izany

Io dia mampitaha ny hafaingana sy ny zoton'ny vahoakan'i Yaveh rehefa manangona ireo babo avy amin'ireo fahavalony amin'ny fahazotoan'ny valala rehefa manangona sakafo. DH: "Manangona babo avy amin'ireo fahavalonao tahaka ny hasiahan'ny valala izay mandrapaka zava-maitso ny vahoakanao"