plt_tn/isa/31/04.md

36 lines
1.3 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Miresaka amin'i Isaia i Yaveh.
# Tahaka ny liona...tahaka izany no hidinan'i Yaveh tompon'ny maro
Eto Yaveh dia miresaka ny fomba hiarovany ny vahoaka izay Azy ary tsy hatahotra amin'ny fampitahana ny tenany amin'ny liona izay miambina ny hazany.
# tahaka izany no hidinan'i Yaveh tompon'ny maro...izany havoana izany
Mety hazava kokoa izany raha afindranao alohan'ny andalana voalohany ny andalana farany: "Hidina mba hiady eo an-Tendrombohitra Ziona, eo amin'izany havoana izany, tahaka ny liona, dia zana-diona Yaveh"
# liona, na ny zana-diona
"liom-bavy na liona mamono." Io dia teny roa izay samy manondro liona masiaka. DH: "liona"
# mierona
mampitandrina ny hafa mba hijanona lavitra
# rehefa antsoina hanohitra izany ny andian'ny mpiandry ondry
Ny andianteny hoe "antsoina hanohitra izany" dia midika hoe alefa mba handroaka liona. DH: "rehefa irahina mba handroaka liona ny mpiandry ondry"
# amin'ny feon'izy ireo
Mety hanao feo mafy mba hiezahana handroahana ny liona ny mpiandry ondry. DH: "amin'ny feo mafy izay ataon'izy ireo"
# hidinana
Io dia manondro ny fidinana avy any an-danitra. DH: "hidina avy any an-danitra"
# eo an-Tendrombohitra Ziona, eo amin'izany havoana izany
Ireo andianteny roa ireo dia samy manondro ny Tendrombohitra Ziona. DH: "eo an-Tendrombohitra Ziona"