plt_tn/isa/30/33.md

811 B

Fa misy toerana fandorana efa nomanina hatry ny ela

DH: "Fa tany aloha be no efa nanomanan'i Yaveh toerana handorana"

toerana fandorana

Io andianteny io dia dikan'ny teny hoe "Tofeta". Tofeta dia toerana any amin'ny Lohasahan'i Hinoma, atsimon'i Jerosalema, izay nandoran'ny vahoaka ny zanak'izy ireo mba hatao sorona ho an'ny andriamani-tsy izy tany aloha.

nomanina ho an'ny mpanjaka izany

Midika izany fa manondro ny mpanjakan'i Asyria io. DH: "Nanomana izany ho an'ny mpanjakan'i Asyria Yaveh"

Efa vonona amin'ny afo sy kitay be dia be ny antontany

"Efa vonona amin'ny kitay maro be mba hampirehetana afo ny antontany"

Ny fofonain'i Yaveh, tahaka ny fandriaky ny solifara, dia handrehitra izany

Io dia miresaka ny fofon'ain'i Yaveh toy ny hoe onin'afo izay handrehitra ny antontany izany.