plt_tn/isa/30/01.md

1.2 KiB

ireo ankizy mpikomy

Miresaka ny vahoakany toy ny hoe zanany Yaveh.

izany no fanambaran'i Yaveh

Afaka ovaina ny teny ka hambara amin'ny matoanteny hoe "nilaza tamin'ny fomba manetriketrika" ny anarana hoe "fanambarana". DH: "izany no nambaran'i Yaveh" na "izany no nolazain'i Yaveh"

Manao fikasana izy ireo, fa tsy avy Amiko

Afaka ovaina ny teny ka hambara amin'ny matoanteny hoe "mikasa" ny anarana hoe "fikasana". DH: "Mikasa ny hanao zavatra izy ireo, nefa tsy nanontany Ahy izay tiako hataon'izy ireo akory"

saingy tsy notoroan'ny Fanahiko lalana

DH: "saingy tsy nitari-dalana azy ireo ny Fanahiko"

manampy fahotana omban'ny fahotana izy ireo

Ny fitohizana manota dia resahina toy ny hoe zavatra izay afaka nifanampy izany. DH: "mbola manohy manota kokoa izy ireo"

Mitady fiarovana avy amin'i Farao izy ireo

Afaka ovaina ny teny ka hambara amin'ny matoanteny hoe "miaro" ny anarana hoe "fiarovana". DH: "Mangataka an'i Farao mba hiaro azy ireo izy ireo"

mialoka ao amin'ny alok'i Egypta

Ny fiarovan'i Egypta tsy ho azon'ireo tafika fahavalo dia resahina toy ny hoe aloka izay miaro olona tsy ho main'ny andro izany. DH: "miantehitra amin'ireo Egyptiana mba hiaro azy ireo izy ireo"