plt_tn/isa/29/15.md

916 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mety ho Isaia miresaka na mety manohy ny tenin'i Yaveh tao amin'ny 29:13-14 ity.

manafina lalina ny fikasany amin'i Yaveh

Ny fiezahan'ny olona hanao fikasana nefa tsy mahalala ny momba izany Yaveh dia resahina toy ny hoe manafina ny fikasan'izy ireo any amin'ny toerana lalina izay tsy ho hitan'i Yaveh izy ireo. DH: "izay miezaka ny manafina ny fikasan'izy ireo amin'i Yaveh" na "izay miezaka ny tsy mamela an'i Yaveh hahafantatra izay kasain'izy ireo atao"

izay miasa ao anaty haizina

Midika izany fa manao zavatra ratsy miafina izy ireo. DH: "izay manao zavatra ratsy ao amin'ny maizina mba tsy hisy hahita azy ireo"

Iza moa no mahita anay, ary iza no mahalala anay?

Mampiasa fanontaniana izy ireo mba hanindriana fa nino izy ireo fa tsy nisy olona nahafantatra izay ataon'izy ireo. DH: "Tsy misy olona, na dia Yaveh aza, mahita anay na mahalala izay ataonay!"