plt_tn/isa/29/03.md

1.0 KiB

Hitoby manodidina anao Aho

Ny teny hoe "Aho" dia manondro an'i Yaveh. Io dia manambara an'i Yaveh mahatonga ny tafika fahavalo hanodidina an'i Jerosalema. DH: "Handidy ny tafik'ireo fahavalo mba hanodidina anao Aho"

hanemitra...tovon-tany

Ny "temitra" dia tilikambo izay hamboarin'ireo miaramila mba hanafihana ireo tanàna amin'ny manda avo. Ny "tovon-tany" ihany koa dia fitaovana samihafa izay hatsangan'ireo tafika mba hanafihana ireo tanàna.

Haetry ianao

DH: "Hanetry anao ny fahavalonao"

ka hiteny eny amin'ny tany; ho ambany avy eny amin'ny vovoka ny teninao. Ho tahaka ny angatra mivoaka avy ao amin'ny tany ny feonao, ary ny teninao dia halefaka avy ao amin'ny vovoka tokoa

Ireo fehezanteny rehetra ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. Manindry ireo fa ny olona izay niresaka tamin'ny teny am-piavonavonana dia ho osa ary alahelo rehefa resin'ny fahavalo izy ireo. DH: "ary ianao dia ho afaka hiteny bitsibitsika mora tahaka ny fanahy miresaka avy amin'ny fitoeran'ny olona maty fotsiny ihany"