plt_tn/isa/28/25.md

1.3 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola manohy milaza ny fanoharana amin'ny vahoakan'i Jerosalema Isaia.

Rehefa avy nanomana ny tany izy

"Rehefa avy miasa ny tany ny mpamboly"

moa ve tsy manaparitaka ny voan'ny nigela, mamafy ny komina, mametraka ny vary tritika mitandahatra ary ny vary hordea amin'ny toerana voafaritra, ary ny ampemba eny amin'ny sisiny izy?

Mampiasa fanontaniana fampisainana mba hampieritreretana lalina ny olona Isaia. Raha tsy misy teny hilazana ireo voa ireo amin'ny fiteninao, dia afaka ambara amin'ny ankapobeny ireo. DH: "hamboly ny tsirairay amin'ny karazana voa amin'ny fomba tena izy ary amin'ny toerana tsara ho an'izany izy."

nigela...komina

Ireo dia anarana zava-maniry izay zava-manitra. Mety manambara ireo amin'ny ankapobeny ho voan-java-manitra ampiasaina mba hanome hanitra ny sakafo ireo mpandika teny.

vary tritika...vary hordea...ampemba

Ireo rehetra ireo dia anarana zava-maniry izay vary avokoa. Mety hanambara izany amin'ny ankapobeny hoe voam-bary ireo mpandika teny.

Mampianatra azy ny Andriamaniny; mampianatra azy am-pahendrena Izy

Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. DH: "Manampy ny mpamboly hahafantatra ny fomba hikarakarana ny tsirairay amin'ireo karazana zava-maniry ireo Yaveh"