plt_tn/isa/28/20.md

1006 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola manohy miresaka ny vahoakan'i Jerosalema Yaveh.

Fa fohy loatra ny fandriana raha hitsoran'ny olona, ary kely loatra ho azy ny firakofana raha handrakofana ny tenany

Mety ho ohabolana izay fantatry ny olona tamin'izany fotoana izany io. Midika izany fa izay inoan'izy ireo fa hiaro azy ireo amin'ny sazin'i Yaveh dia handiso fanantenana azy ireo tahaka ny fandriana izay fohy loatra na bodofotsy izay kely loatra.

Hitsangana...Yaveh

Ny fiomanan'i Yaveh hanao zavatra dia resahina toy ny hoe nipetraka Izy ary dia hitsangana avy eo.

Tendrombohitra Perazima...Lohasahan'i Gibeona

Ireo dia manondro ireo toerana izay nandresen'Andriamanitra tamim-pahagagana ireo tafika fahavalo.

hanaitra ny tenany

"hanjary ho tezitra mafy Izy"

ny asany tsy mahazatra

Izany asa izany dia tsy mahazatra satria mampiasa tafika vahiny mba handresy ny vahoakan'i Jerosalema fa tsy hanampy ny vahoakan'i Jerosalema mba handresy ny fahavalon'izy ireo Andriamanitra.