plt_tn/isa/28/14.md

2.1 KiB

Koa henoy ny tenin'i Yaveh

Izao dia miresaka amin'ireo mpitarika ao Jerosalema Isaia. Eto ny hoe "teny" dia manambara hafatra. DH: "Koa henoy ny hafatr'i Yaveh"

Nanao fanekena tamin'ny fahafatesana izahay, ary nanao fifanarahana tamin'ny Fiainan-tsy hita

Ireo fehezanteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. Ireo mety ho heviny dia 1) nampiasa ody na mosavy mba hiezahana hanao fifanarahana amin'ireo andriamanitra ao amin'ny toeran'ny maty ireo mpitarika ao Jerosalema mba hiarovan'ireo andriamanitra ireo azy ireo mba tsy ho faty na 2) izany dia sarinteny izay miresaka ireo mpitarika manana fifanarahana amin'ireo mpitarik'i Egypta. Tena nahatoky tena ireo mpitarik'i Egypta fa hiaro fa tahaka ny nanao fifanarahana tamin'ireo andriamanitra any amin'ny toeran'ny maty ireo Egyptiana.

Koa raha mandalo eo ny karavasy manafotra, dia tsy hahazo antsika izany

Io dia miresaka ny fitsarana sy ny sazin'i Yaveh toy ny hoe karavasy izay hamely ny olona izany. Ary ny karavasy dia resahina toy ny hoe tondra-drano izay handalo manerana an'i Jerosalema izany. DH: "Vokatr'izany, rehefa mijaly ary maty ny olona sasany, dia tsy hisy na inona na inona hanisy ratsy antsika"

Satria isika nanao ny lainga ho arontsika, ary ny fitaka ho fiherentsika

Ireo fehezanteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. Ny "lainga" na "fitaka" dia resahina toy ny hoe toerana izay ahafahan'ny olona miafina ireo. Tsy hilaza ireo mpitarik'i Jerosalema fa matoky lainga izy ireo. Nino izy ireo fa tena voaaro. Nefa fantatr'i Isaia fa tsy voaaro izy ireo, satria natoky ny lainga. DH: "Satria tonga tahaka ny toerana izay ahafahan'izy ireo miafina ny loza ny lainga sy ny fitaka"

ny lainga ho arontsika...ny fitaka ho fiherentsika

Ireo mety ho heviny dia 1) matoky ireo laingany izay nolazain'izy ireo mba hiarovan-tena ireo mpitarika na 2) matoky ireo mpitarika fa ny fanekena izay nataon'izy ireo tamin'ireo andriamani-tsy izy tao amin'ny toeran'ny maty no hiaro azy ireo na 3) matoky ireo mpitarika fa ny fifanarahana izay nataon'izy ireo tamin'ireo Egyptiana no hiaro azy ireo.