forked from WA-Catalog/plt_tn
24 lines
1.3 KiB
Markdown
24 lines
1.3 KiB
Markdown
# Ka toy izao
|
|
|
|
Ireo mety ho heviny dia 1) ny hoe "izao" dia manondro ny fandefasan'i Yaveh ny vahoaka ho any an-tsesitany araka ny nolazain'i Isaia tao amin'ny andininy teo aloha na 2) ny hoe "izao" dia manondro ireo zavatra izay holazain'i Isaia ao amin'ny fizarana manaraka dia ny andininy faha-9.
|
|
|
|
# no hanonerana ny helok'i Jakoba
|
|
|
|
DH: "hanadio ny helok'ireo Israelita Yaveh" na "hamela ny helok'ireo Israelita Yaveh"
|
|
|
|
# helok'i Jakoba...fanesorana ny otany
|
|
|
|
Eto "Jakoba" dia manambara ireo taranak'i Jakoba. DH: "helok'ireo Israelita...fanesorana ny otan'izy ireo"
|
|
|
|
# fa izao no ho
|
|
|
|
Eto ny hoe "izao" dia manondro ireo zavatra izay ho soritsoritan'i Isaia ao amin'ny fizarana manaraka dia ny andininy faha-9.
|
|
|
|
# vokatra feno
|
|
|
|
Io dia miresaka ny vokatry ny zavatra natao toy ny hoe vokatra izay maniry tahaka ny amin'ny hazo na voaloboka izany. DH: "ny vokany"
|
|
|
|
# hanao ireo alitara vato tahaka ny tsaoka izay voapotipotika izy, ka tsy hisy baon'Aseraha na ireo alitaran'ny ditin-kazo manitra mbola hijoro
|
|
|
|
Eto ny hoe "izy" dia manondro an'i Jakoba izay manambara ireo taranany. DH: "Handrava tanteraka ireo alitara izay anaovan'izy ireo sorona ho an'ireo andriamani-tsy izy izy ireo, ary hanala ireo sampin'Aseraha sy ireo alitara izay nandoran'izy ireo ditin-kazo manitra ho an'ireo andriamani-tsy izy izy ireo"
|