plt_tn/isa/27/06.md

881 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Miteny Isaia. Manohy manoritsoritra ny vahoakan'Israely tahaka ny tanimboaloboka izy. (Jereo: 27:1).

Amin'ny andro ho avy

Io dia miresaka ny andro toy ny hoe mandeha ary tonga any ho any izany. DH: "Amin'ny hoavy"

hamaka i Jakoba; hamony sy hitsimoka Israely

Ny fitahian'i Yaveh ny vahoakan'Israely sy ny fanambinany azy ireo dia resahina toy ny hoe voaloboka izay mamaka sy mitsimoka izy ireo. DH: "hiroborobo tahaka ny voaloboka izay mamaka sy mitsimoka ireo taranak'Israely"

Jakoba...Israely

Eto "Jakoba" sy "Israely" dia sarinteny izay manambara ireo taranak'i Jakoba.

hameno ny velaran-tany amin'ny voany izy ireo

Ny fampitomboan'i Yaveh ny vahoakan'Israely ho maro be mba ahafahan'izy ireo manampy ny olona hafa dia resahina toy ny hoe voaloboka izay mamokatra voankazo be dia be izy ireo ka handrakotra ny tany izany.