plt_tn/isa/26/18.md

20 lines
1010 B
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Manohy mampitaha ny fijalian'ny vahoakan'i Joda amin'ny vehivavy miteraka i Isaia.
# nefa izany dia tahaka ny miteraka rivotra ihany
"tahaka ny miteraka tsinontsinona ihany izany." Io dia fampitahana izay manindry fa tsy nitondra na inona na inona ny fijalian'ny vahoaka. DH: "nefa tsy nisy zavatra tsara azo avy tamin'izany"
# Mbola tsy nitondra famonjena tamin'ny tany izahay, ary mbola tsy potraka ireo mponin'ny tany
Eto ny "tany" dia manambara ny olona izay mipetraka eto an-tany. Tsy mazava ny dikany, fa toa midika fa tsy nahavita nanavo-tena na olona hafa tamin'ny fandresena ny fahavalon'izy ireo tamin'ny ady ny vahoakan'Israely.
# Mbola tsy nitondra famonjena tamin'ny tany izahay
Afaka ovaina ny teny ka ho azo ambara amin'ny matoanteny hoe "mamonjy" ny anarana hoe "famonjena". DH: "Tsy namonjy ireo mponina teto an-tany izahay"
# ary mbola tsy potraka ireo mponin'ny tany
"ary tsy nahalavo an'ady ny olona ratsy fanahy teto amin'izao tontolo izao"