plt_tn/isa/26/07.md

1.3 KiB

Voaravona ny lalan'ny olo-marina...ahitsinao ny lalan'ny marina

Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. Ny olona mankatoa an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe mandeha amin'ny lalany izy ireo. Yaveh manome antoka ny vahoaka fa marina izay ataony dia resahina toy ny hoe mandravona ary nanitsy ny lalana ho azy ireo Izy.

amin'ny lalan'ny fitsaranao, ry Yaveh, no hiandrasanay Anao

Ny fanaovana izay tsarain'i Yaveh ho marina dia resahina toy ny hoe mandeha amin'ny lalany. DH: "miandry Anao izahay, ry Yaveh, araka ny mbola hanaovanay hatrany izay tsarainao fa marina"

ny fitsaranao

"ireo lalànao" na "ireo fampianaranao"

hiandrasanay

Eto ny hoe "-nay" dia manondro an'i Isaia sy ireo olona marina izay miresaka amin'i Yaveh.

ny anaranao sy ny lazanao no fanirianay

Eto ny hoe "anarana" sy "laza" dia manambara ny toetran'i Yaveh izay manambara an'i Yaveh mihitsy. DH: "ny hanome voninahitra Anao ihany no fanirianay"

mitady Anao fatratra ny fanahy ato anatiko

Ny faniriana ny hahafantatra tsara an'i Yaveh sy ireo lalàny dia resahina toy ny hoe nitady an'i Yaveh ilay olona. DH: "Te hahalala Anao fatratra kokoa aho"

mitady Anao fatratra ny fanahy ato anatiko

Eto ny hoe "fanahy" dia manambara ilay olona manontolo izay miteny.