plt_tn/isa/24/17.md

1.1 KiB

Aminareo ny tahotra, ny lavaka, ary ny fandrika, ry mponin'ny tany

"Hiaina horohoro, lavaka, ary fandrika ianareo ry mponin'ny tany"

ny lavaka, ary ny fandrika...azon'ny fandrika

Eto ny hoe "lavaka" sy "fandrika" dia manambara ireo karazana zavatra ratsy rehetra izay hanjo ny olona. Hitsoaka mba handositra ny zavatra ratsy iray ny olona nefa dia hiaina zavatra ratsy iray hafa tokoa izy ireo.

ny feon'ny horohoro

"ny feo mampihorohoro"

azon'ny fandrika

DH: "hahazo azy ny fandrika"

Hisokatra ny varavaran'ny lanitra

Io dia miresaka ny haben'ny orana milatsaka avy any an-danitra toy ny hoe nanokatra ny varavaran'ny lanitra ary namela ny rano hiraraka ao amin'izany Yaveh. DH: "Hitriatra hisokatra ny lanitra ka hisy ora-mikija hirotsaka"

hiozongozona ireo fanorenan'ny tany

Ny teny hoe "fanorenana'' amin'ny ara-dalàna dia manondro ny rafi-bato izay manohana ny trano avy ambany. Eto dia manoritsoritra ny rafitra izay natao hanohana sy hampipetraka ny tany amin'ny toerany ihany izany. Milaza Isaia fa na dia ny rafitra izay mihazona ny tany aza dia hiozongozona. DH: "hiozona mafy ny tany" na "hisy horohoron-tany tena lehibe"