plt_tn/isa/24/12.md

799 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manohy manoritsoritra ny fotoana amin'ny hoavy amin'izay hitsaran'Andriamanitra ny tany Isaia. Matetika ireo mpaminany dia manoritsoritra ny tranga hoavy tahaka ny zavatra tany aloha na ankehitriny. Izany dia manindry ny tranga izay tena hitranga.

Faharavana sisa no eo amin'ny tanàna

Ny anarana hoe "faharavana" dia afaka atao hoe "rava" na "foana". DH: "Rava ny tanàna" na "foana ny tanàna"

eo amin'ny tanàna

Tsy tanàna voafaritra mazava io fa tanàna amin'ny ankapobeny.

tahaka ny hazo oliva voakapoka, tahaka ny fitsimponam-boaloboka rehefa vita ny fiotazana

Io dia mampitaha ireo firenena aorian'ny fandravan'i Yaveh ny tany amin'ny hazo sy divay aorian'ny fiotazana ny voany. Midika izany fa ho olona vitsy monja no tavela eto an-tany.