plt_tn/isa/24/10.md

1.3 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manohy manoritsoritra ny fotoana amin'ny hoavy amin'izay hitsaran'Andriamanitra ny tany Isaia. Matetika ireo mpaminany dia manoritsoritra ny tranga hoavy tahaka ny zavatra tany aloha na ankehitriny. Izany dia manindry ny tranga izay tena hitranga.

Rava ny tanànan'ny fikorontanana

DH: "Handrava ny tanànan'ny fikorontanana Yaveh"

ny tanànan'ny fikorontanana

Ireo mety ho heviny dia 1) tao anaty fikorontanana ny tanàna nialohan'ny nandravan'ny Tompo izany; tsy nankatoa an'Andriamanitra ny olona, nanao kolikoly ny governemanta, ary feno fisotroana sy lanonana ny tanàna, na 2) ho ao anaty fikorontanana ny tanàna rehefa avy mandrava izany Andriamanitra. Ireo manda sy ireo trano mafy sy avo izay naorina dia rava amin'ny tany ankehitriny. Amin'ireo heviny ireo dia tsy midika hoe tanàna iray ihany izany. Izany dia manondro ireo tanàna amin'ny ankapobeny.

mihidy sy foana avokoa ireo trano rehetra

DH: "hanidy ny tranon'izy ireo ary hamela izany ho foana ny olona"

nohon'ny divay

"satria tsy misy divay"

maizina ny haravoana rehetra, nanjavona ny fifalian'ny tany

Ireo andian-teny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. DH: "hiala amin'ny tany ny fifaliana rehetra"

fifalian'ny tany

Eto ny hoe "tany" dia manambara ny olona eto an-tany.